1 Kings 13:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hoy ilay iray taminy: Izaho koa dia mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy taminy: «Izaho koa anie mpaminany toa anao ihany, ary nisy Anjely niteny tamiko, noho ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy, mba hihina-mofo sy hisotro rano.» Laingany anefa izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy kosa ilay lahiantitra taminy: –Izaho koa dia mba mpaminany toa anao ihany, ary nisy anjely nilaza tenin’ny TOMPO tamiko nanao hoe: «Ento miverina miaraka aminao ho any an-tranonao izy mba hihinan-kanina sy hisotro rano.» Kanjo nandainga taminy izy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hoy ilay iray taminy: Izaho koa dia mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’NY TOMPO hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
malagasy