1 Kings 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niantso ny alitara araka ny tenin’NY TOMPO ilay lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Ry alitara! Ry alitara! Izao no lazain’NY TOMPO: Indro hisy zaza hateraka ho an’ny taranak’i Davida; Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay mandoro ditin-kazo manitra eo aminao, ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao antso nihatra tamin’ny ôtely izy io, noho ny tenin’i Iaveh, ka nanao hoe: «Ry ôtely! Ry ôtely! Izao no lazain’i Iaveh: Hisy zaza lahy hateraka ho an’ny tranon’i Davida, ka ny anarany hatao hoe: I Josiasa; ny mpisoron’ny fitoerana, izay mandoro ny sorona eo amboninao, no hovonoina hatao eo amboninao; ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nanao antso avo nanohitra io alitara io, araka ny baikon’ny TOMPO, ilay olon’Andriamanitra ka nanao hoe: –Ry alitara ô, ry alitara ô, izao no lazain’ny TOMPO: «Hisy zazalahy ho teraka ao amin’ny fianakavian’i Davida, ka ny anarany hatao hoe Jôsià. Eo aminao, ry alitara ô, no hovonoiny ho faty ka hataony sorona ireo mpisoron’ny toeram-panasinana ireo, izay nandoro sorona hanetona teo aminao; ary taolan’olona aza no hodorana eo aminao.
Malagasy Bible 1865
Ary ilay lehilahin'Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain'i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an'ny taranak'i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin'ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan'olona no hodorana eo amboninao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niantso ny alitara araka ny tenin’NY TOMPO ilay lehilahin’Andriamanitra ka niteny hoe: Ry alitara! Ry alitara! Izao no lazain’NY TOMPO: Indro hisy zaza hateraka ho an’ny taranak’i Davida; Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ireo mpisoron’ny toerana fanaovana sorona izay mandoro ditin-kazo manitra eo aminao, ary taolan’olona no hodorana eo amboninao!
malagasy