1 Kings 13:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ka niteny mafy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda izy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka niteny mafy tamin-dralehilahy avy any Jodà izy, nanao hoe: «Izao no lazain’i Iaveh: Noho ianao nandà ny tenin’i Iaveh, ka tsy nitandrina ny didy nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary izy io kosa niteny mafy tamin’ilay olon’Andriamanitra avy any Joda hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Noho ianao tsy nankatò ny baikon’ny TOMPO Andriamanitrao ary tsy nitandrina ny didy izay nomeny anao,
Malagasy Bible 1865
ary izy niteny mafy tamin'ilay lehilahin'Andriamanitra avy tany Joda hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Satria nandà ny tenin'i Jehovah ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ka niteny mafy tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra avy tany Joda izy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Satria nandà ny tenin’NY TOMPO ianao ka tsy nitandrina ny didy izay nandidian’NY TOMPO Andriamanitrao anao
malagasy