1 Kings 13:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandeha io dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy. Niampatra teo an-dalana ny fatiny, nijanona teo anilany ny boriky, ary ilay liona dia nitoetra teo anilan’ny faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa lasa ilay olon’Andriamanitra dia nifanehatra tamin’ity liona anankiray, izay namono nahafaty azy. Raha mbola niampatra teo an-dalana teo ny fatiny, dia nijanona teo anilany ilay ampondra, ary nipetraka teo akaikin’ny faty koa ilay liona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanjo nony nandeha izy, dia sendra liona teny an-dalana ka matin’izany; ary ny fatiny dia niampatra teo amin’ny lalana, fa ny boriky sy ny liona kosa nijanona teo an-daniny sy an-kilany.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandeha izy, dia nisy liona nifanena taminy teny andalana ka nahafaty azy; ary ny fatiny dia niampatra teo an-dalana, ary ny boriky nijanona teo anilany, ary ny liona koa nijanona teo anilan'ny faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandeha io dia nisy liona nifanena taminy teny an-dalana ka nahafaty azy. Niampatra teo an-dalana ny fatiny, nijanona teo anilany ny boriky, ary ilay liona dia nitoetra teo anilan’ny faty.
malagasy