1 Kings 13:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana dia niteny hoe: Ilay lehilahin’Andriamanitra nandà ny tenin’NY TOMPO izay; fa natolotry NY TOMPO tamin’ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazainy taminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany ity mpaminany namerina ilay olon’Andriamanitra tany an-dalana, dia hoy izy: «Ilay olon’Andriamanitra nandà ny tenin’i Iaveh izay, fa natolotr’i Iaveh ny liona izy, ka noviravirainy, sy nasiany ho faty, araka ny teny voalazan’i Iaveh taminy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony nandre izany ity mpaminany nampiverin-dalana azy, dia nilaza hoe: –Ilay olon’Andriamanitra tsy nankatò ny baikon’ny TOMPO izay; fa natolotry ny TOMPO ho an’ny liona izy ka noviravirainy sy nataony maty araka ny teny izay nambaran’ny TOMPO taminy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin'Andriamanitra nandà ny tenin'i Jehovah izay; fa natolotr'i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin'i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana dia niteny hoe: Ilay lehilahin’Andriamanitra nandà ny tenin’NY TOMPO izay; fa natolotry NY TOMPO tamin’ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’NY TOMPO izay nolazainy taminy.
malagasy