1 Kings 13:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoantsoiny noho ny tenin’NY TOMPO nilaza ny loza ho tonga amin’ny alitara ao Betela sy amin’ny trano rehetra eny amin’ny toerana fanaovana sorona izay any amin’ireo tanànan’i Samaria.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ho tanteraka tokoa ny teny nantsoiny, araka ny tenin’i Iaveh, mihatra amin’ny ôtely any Betela sy amin’ny tranon’ny fitoerana avo rehetra izay ao amin’ny tanànan’i Samaria.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay hafatra nataony antso avo araka ny tenin’ny TOMPO ho fanoherana ny alitara ao Betela sy ny trano rehetra amin’ny toeram-panasinana manerana ireo tanànan’i Samaria.
Malagasy Bible 1865
fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin'i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin'ny alitara ao Betela sy amin'ny trano rehetra eny amin'ny fitoerana avo izay any an-tanànan'i Samaria.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoantsoiny noho ny tenin’NY TOMPO nilaza ny loza ho tonga amin’ny alitara ao Betela sy amin’ny trano rehetra eny amin’ny toerana fanaovana sorona izay any amin’ireo tanànan’i Samaria.
malagasy