1 Kings 13:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Taorianan’izany dia tsy mbola niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jeroboama fa mbola naka olona avy tamin’ny vahoaka ho mpisorona amin’ny toerana fanaovana sorona izy; koa na iza na iza no naniry hatokana dia natokany mba ho tonga mpisoron’ny toerana fanaovana sorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Taorin’izany zava-niseho izany, mbola tsy niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jerôbôama, fa mbola nanangana mpisoron’ny fitoerana avo, avy amin’ny vahoaka, ihany izy, ka na iza na iza tia izany, dia natokany ka tonga mpisoron’ny toerana avo izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na teo aza anefa izany, dia tsy nanitsy fitondrantena i Jerôbohama, fa mbola nanendry olon-kafa ho mpisorona amin’ny toeram-panasinana hatrany izy; ka izay olona te hanao izany, dia natokany mba ho mpisorona amin’ireny toeram-panasinana ireny.
Malagasy Bible 1865
Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Taorianan’izany dia tsy mbola niala tamin’ny lalan-dratsiny ihany i Jeroboama fa mbola naka olona avy tamin’ny vahoaka ho mpisorona amin’ny toerana fanaovana sorona izy; koa na iza na iza no naniry hatokana dia natokany mba ho tonga mpisoron’ny toerana fanaovana sorona.
malagasy
Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin'ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin'ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin'ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin'ny fitoerana avo. [Heb. nofenoiny ny tànany]Ary dia tonga fahotan'ny taranak'i Jeroboama izany ka namongorana sy nandringanana azy tsy ho eo ambonin'ny tany.