1 Kings 13:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela dia nampiala ny tanany tamin’ny alitara izy ka niteny hoe: Hazòny Ilehio! Nefa tonga maina ny tanany ilay nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Jerôbôama mpanjaka ny tenin’ity olon’Andriamanitra, niantso amin’ny ôtely tao Betela dia naninjitra ny tanany avy eo ambony ôtely izy, ka nanao hoe: «Sambory ilay io.» Kanjo maina terỳ ny tanany izay nahinjiny hanondro azy, ka tsy azony navonkina intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vao ren’i Jerôbohama mpanjaka ny tenin’ilay olon’Andriamanitra izay nanao antso avo nanohitra ny alitara tao Betela, dia naninjitra ilay tanany izay teo ambony alitara izy sady niteny hoe: –Tano io olona io! Kanjo maina tampoka teo iny tanana nahinjiny hanoherana an’ilay olon’Andriamanitra iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ny lehilahin’Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela dia nampiala ny tanany tamin’ny alitara izy ka niteny hoe: Hazòny Ilehio! Nefa tonga maina ny tanany ilay nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
malagasy
Ary nony ren'i Jeroboama mpanjaka ny tenin'ny lehilahin'Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin'ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. [Heb. maina]