1 Kings 13:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nitresaka tokoa ny alitara ka niraraka ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana izay nasehon’ilay lehilahin’Andriamanitra noho ny tenin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nitresaka tokoa ny ôtely, sady niely ny lavenona avy eo amin’ny ôtely araka ny famantarana nomen’ity olon’Andriamanitra noho ny tenin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay koa dia nitresaka ny alitara ka niely tamin’ny tany ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana nambaran’ilay olon’Andriamanitra ihany noho ny tenin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nitresaka tokoa ny alitara ka niraraka ny lavenona teo amboniny, araka ny famantarana izay nasehon’ilay lehilahin’Andriamanitra noho ny tenin’NY TOMPO.
malagasy
Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon'ilay lehilahin'Andriamanitra noho ny tenin'i Jehovah.