1 Kings 13:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Mba ifony amin’NY TOMPO Andriamanitrao aho ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin’NY TOMPO ilay lehilahin’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany ary tonga tahaka ny teo aloha.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niteny ny mpanjaka ka nilaza tamin’ity olon’Andriamanitra hoe: «Mampionòna an’i Iaveh Andriamanitrao, ka mivavaha ho ahy mba hivonkonan’ny tanako hankatỳ amiko indray.» Nampionona an’i Iaveh ity olon’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka navonkina hankany aminy ny tanany izay tonga toy ny taloha ihany indray.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay olon’Andriamanitra: –Mba ifony amin’ny TOMPO Andriamanitrao re aho ka mivavaha ho ahy mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin’ny TOMPO ilay olon’Andriamanitra, ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany, ary tafaverina toy ny teo aloha.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka namaly ilay lehilahin'Andriamanitra nanao hoe: Mba ifony amin'i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia nifona tamin'i Jehovah, ka dia azon'ny mpanjaka noketrahina indray ny tànany ka tonga tahaka ny teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Mba ifony amin’NY TOMPO Andriamanitrao aho ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako. Dia nifona tamin’NY TOMPO ilay lehilahin’Andriamanitra ka azon’ny mpanjaka noketrahina indray ny tanany ary tonga tahaka ny teo aloha.
malagasy