1 Kings 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia indro, hahatonga loza amin’ny taranak’i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ny tamingan’i Jeroboama, na ny voagadra, na ny olona afaka amin’ny Israely ary hanaisotra ny sisa amin’ny taranak’i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-pahafoanany tanteraka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, indro kosa Aho hitarika ny loza ho amin’ny tranon’i Jerôbôama, haringako avokoa ny lehilahy izay an’i Jerôbôama, na ny andevo na ny olona afaka, amin’i Israely, hataoko hoatra ny famafa diky ny famafa ny tranon’i Jerôbôama mandra-pahalevony tsy misy intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany no hampiharako loza amin’ny fianakavianao, ry Jerôbohama; ka handringanako ny lehilahy rehetra amin’ny taminganao na zaza na olon-dehibe manerana an’i Israely, ary hofafako tanteraka toy ny famafa fako ny sisa amin’ny fianakavianao.
Malagasy Bible 1865
koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia indro, hahatonga loza amin’ny taranak’i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin’ny tamingan’i Jeroboama, na ny voagadra, na ny olona afaka amin’ny Israely ary hanaisotra ny sisa amin’ny taranak’i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-pahafoanany tanteraka.
malagasy