1 Kings 14:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Israely rehetra dia hisaona sy handevina azy; fa amin’ny tamingan’i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana hatsaram-panahy teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hitomany azy i Israely rehetra, dia halevina izy, satria izy irery no mba tamingan’i Jerôbôama ho voapetraka am-pasana, satria izy irery no tamingan’i Jerôbôama nahitana soa vitsivitsy teo imason’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hanaovan’ny vahoaka Israely rehetra fisaonana izy ka haleviny. Fa izy irery amin’ny taranak’i Jerôbohama rehetra no halevina am-pasana, satria izy irery ihany tamin’izany fianakaviana izany no mba nahitan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely zavatra tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Israely rehetra dia hisaona sy handevina azy; fa amin’ny tamingan’i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana hatsaram-panahy teo anatrehan’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy