1 Kings 14:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO hamely ny Israely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Israely amin’ity tany soa nomeny ny razany ity, ary hanely azy ho any andafin’ny ony Eofrata, satria nanao ireo tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany izy ka nahatezitra NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Adre! Sahady lahy! Hataon’i Iaveh toy ny fihozongozon’ny volotara ao anaty rano, no famely an’i Israely; hotsoahany amin’ity tany soa nomeny ny razany ity i Israely, ka haeliny any an-dafin’ny ony, satria efa nanao aseraha ho azy izy, ka nampahatezitra an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO hamely ny Israelita ka hampipararetra azy toy ny volotara hetsiketsehan’ny rano sady hanongotra azy amin’ity tany soa izay nomeny ny razany ity ary hanely azy any an-dafin’ny ony Eofrata, satria nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà izy ka nampahatezitra ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO hamely ny Israely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Israely amin’ity tany soa nomeny ny razany ity, ary hanely azy ho any andafin’ny ony Eofrata, satria nanao ireo tsangankazon-tsampy ho an’ny Aserahany* izy ka nahatezitra NY TOMPO.
malagasy
Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah. [Eofrata]