1 Kings 14:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tantaran’i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa tamin’ny zavatra nataon’i Jerôbôama, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Jerôbohama ary koa ny ady nataony sy ny fomba nanjakany dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tantaran’i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Israely izany.
malagasy
Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.