1 Kings 14:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Jeroboama tamin’ny vadiny: Miangavy anao aho, mitsangàna ka miovà endrika mba tsy ho fantatr’olona hoe vadin’i Jeroboama ianao. Dia mankanesa any Silo, fa indro, ao i Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ity firenena ity aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hoy i Jerôbôama tamin’ny vavy: «Raha sitrakao, mitsangàna ka manovà endrika, mba tsy ho fantatra ho vadin’i Jerôbôama ianao, dia mankanesa any Silao. Indro fa ao i Ahiasa mpaminany, ilay nilaza tamiko ny hanjakako amin’ity firenena ity.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Jerôbohama tamin’ny vadiny: –Ndeha re miova endrika ianao mba tsy ho fantatr’olona ho vadiko; dia mankanesa any Silao izay misy an’i Ahià mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho tonga mpanjakan’ity firenena Israely ity aho.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Jeroboama tamin’ny vadiny: Miangavy anao aho, mitsangàna ka miovà endrika mba tsy ho fantatr’olona hoe vadin’i Jeroboama ianao. Dia mankanesa any Silo, fa indro, ao i Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan’ity firenena ity aho.
malagasy