1 Kings 14:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanjaka tamin’i Joda i Rehoboama, zanak’i Solomona. Iraika amby efapolo taona i Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely rehetra mba hametrahany ny anarany. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Rôbôama zanak’i Salômôna nanjaka tamin’i Jodà. Efa 41 taona izy vao nanjaka tao Jerosalema, tanàna nofidin’i Iaveh tamin’ny fokon’i Israely rehetra, hametrahana ny Anarany; Naamà Amônita no anaran-dreniny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Feno 41 taona i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna fony vao nanjaka tamin’i Joda; ary naharitra 17 taona no nanjakany tao Jerosalema, dia ilay tanàna nofidin’ny TOMPO tamin’ireo fokon’i Israely rehetra mba hampitoerany ny voninahiny. Ny anaran-dreniny dia i Nahamà, izay hamônita.
Malagasy Bible 1865
Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanjaka tamin’i Joda i Rehoboama, zanak’i Solomona. Iraika amby efapolo taona i Rehoboama raha nanomboka nanjaka, ary fito amby folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin’NY TOMPO tamin’ny fokon’ny Israely rehetra mba hametrahany ny anarany. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita.
malagasy
[Ny nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.