1 Kings 14:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izy ireo koa dia nanao toerana fanaovana sorona sy tsangambaton-tsampy ary tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha teny an-tampon’ny vohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nanorina fitoerana avo ho azy koa izy ireo, mbamin’ny tsangam-bato sy aseraha teny ambonin’ny tanety avo rehetra sy teny ambany hazo maitso rehetra teny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa nanorina toeram-panasinana koa izy sady nanao tsangambaton-tsampy sy tsatokazo fanajana an’i Aserà teny an-tampon-kavoana sy teny ambany hazo midoroboka rehetra teny.
Malagasy Bible 1865
Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izy ireo koa dia nanao toerana fanaovana sorona sy tsangambaton-tsampy ary tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* teny an-tampon’ny vohitra avo rehetra sy teny ambanin’ny hazo maitso rehetra.
malagasy
Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]