1 Kings 14:24 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy koa aza ireo olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ny tany ka nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO teo anoloan’ny Zanak’Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nisy hatramin’ny manolo-tena ho mpijangajanga aza tamin’ny tany. Dia narahiny avokoa ny fahavetavetan’ny firenena noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy aza lehilahy sy vehivavy izay nitolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ny tany, ka narahiny avokoa ny zava-maharikoriko rehetra fanaon’ny firenena izay efa noroahin’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita.
Malagasy Bible 1865
Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy koa aza ireo olona nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin’ny tany ka nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon’ny firenena izay noroahin’NY TOMPO teo anoloan’ny Zanak’Israely.
malagasy
Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.