1 Kings 14:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ampinga varahina no nataon-dRôbôama mpanjaka solon’ireny, ka nataony teo an-tanan’ny lehiben’ny mpihazakazaka izay miambina ny fidirana amin’ny tranon’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho solon’ireny kosa dia nampanao ampinga halimo i Rehabohama; ka ny lehiben’ny mpiambina, izay niandry ireo varavaran’ny lapan’ny mpanjaka, no nanankinany azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanao ampinga varahina ho solon’ireny i Rehoboama mpanjaka ka nanolotra azy ho eo an-tanan’ny lehiben’ny mpiambina izay niambina ny varavaran’ny tranon’ny mpanjaka.
malagasy
Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka