1 Kings 14:31 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. I Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nody mandry any amin’ny razany i Rôbôama, ka nalevina tao akaikin’ny razany tao an-tanànan’i Davida. Ny anaran-dreniny dia Naamà Amônita, ary i Abiama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Rehabohama, dia nalevina am-pasan-drazana tao an- tanànan’i Davida. Ny anaran-dreniny dia Nahamà, izay Hamônita; ary i Abiama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.
Malagasy Bible 1865
Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nodimandry any amin’ny razany i Rehoboama ka nalevina tao amin’ny razany tao amin’ny Tanànan’i Davida. Ny anaran’ny reniny dia Nama amonita. I Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
malagasy
Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.