1 Kings 14:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatanteraka izany ny vadin’i Jeroboama ka niainga nankany Silo, dia nankao an-tranon’i Ahia. Efa tsy nahita intsony i Ahia fa efa pahina noho ny fahanterana ny masony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao araka izany ny vadin’i Jerôbôama, niainga izy, nankany Silao, dia niditra tao an-tranon’i Ahiasa. Tsy nahajery intsony i Ahiasa fahizany, fa efa nanjavona azon’ny fahanterana ny masony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nataon’ny vadin’i Jerôbohama izany; ka niainga nankany Silao izy ary niditra tao an-tranon’i Ahià. Tsy nahita intsony anefa ny mason’i Ahià noho ny fahanterany;
Malagasy Bible 1865
Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatanteraka izany ny vadin’i Jeroboama ka niainga nankany Silo, dia nankao an-tranon’i Ahia. Efa tsy nahita intsony i Ahia fa efa pahina noho ny fahanterana ny masony.
malagasy
Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.