1 Kings 14:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa NY TOMPO efa nilaza tamin’i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’i Jeroboama hanontany anao ny amin’ny zanany, fa marary izy. Ary izao ka izao no holazainao aminy. Nefa rehefa miditra manketo aminao izy dia mody hiseho ho vehivavy hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nilazan’i Iaveh anefa i Ahiasa, nataony hoe: «Indro tamy ny vadin’i Jerôbôama mba hahazo teny indraimbava aminao ny amin’ny zanany, fa marary izy, ka izao sy izao no holazainao azy. Hody ho hafa izy rehefa tonga.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
saingy ny TOMPO kosa efa nilaza taminy hoe: –Indro ho avy hanontany anao ny momba an-janany marary ny vadin’i Jerôbohama; ka izao sy izao avy no holazainao aminy, satria hody olon-kafa izy rehefa tonga.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa NY TOMPO efa nilaza tamin’i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin’i Jeroboama hanontany anao ny amin’ny zanany, fa marary izy. Ary izao ka izao no holazainao aminy. Nefa rehefa miditra manketo aminao izy dia mody hiseho ho vehivavy hafa.
malagasy