1 Kings 14:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ren’i Ahia ny figodongodon’ny tongony raha vao niditra teo am-baravarana izy dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’i Jeroboama! Nahoana ianao no mody olon-kafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony ren’i Ahiasa ny fingadongadon’ny tongony, ilay nandingana ny varavarana iny izy, dia hoy izy; «Mandrosoa, ry vadin’i Jerôbôama, nahoana ianao no mody ho olon-kafa? Voatendry hitondra hafatra mafy aminao aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa rehefa ren’i Ahià ny fingodongodon’ny tongo-dravehivavy nandingana ny tokonam-baravarana, dia hoy izy hoe: –Mandrosoa, ry vadin’i Jerôbohama, fa nahoana ianao no mody olon-kafa? Nirahina hanambara vaovao ratsy aminao aho.
Malagasy Bible 1865
Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ren’i Ahia ny figodongodon’ny tongony raha vao niditra teo am-baravarana izy dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin’i Jeroboama! Nahoana ianao no mody olon-kafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
malagasy