1 Kings 14:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia nendahiko ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ny fanjakana ka nomeko anao; nefa ianao kosa dia tsy mba tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo mba tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nendahako tamin’ny tranon’i Davida ny fanjakana, ka nomeko anao. Kanjo ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony rehetra, ary tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
efa nesoriko ny fanjakana ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ka nomeko anao; nefa ianao tsy mba nanao tahaka an’i Davida mpanompoko izay nitandrina ny didiko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo ka tsy nanao afa-tsy izay mahitsy eo imasoko.
Malagasy Bible 1865
ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia nendahiko ho afaka tamin’ny taranak’i Davida ny fanjakana ka nomeko anao; nefa ianao kosa dia tsy mba tahaka an’i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin’ny fony manontolo mba tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany.
malagasy