1 Kings 14:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nanao izay ratsy mihoatra noho izay rehetra talohanao ianao ka lasa nanao andriamanitra hafa sy sarin-javatra voarendrika ka nahatezitra Ahy, ary Izaho narianao teo ivohonao:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa nanao ratsy mihoatra izay talohanao rehetra ianao, andriamani-kafa sy sarin-javatra anidina no lasa nataonao hampahatezitra Ahy, fa Izaho kosa nailikao any ivohonao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ratsy kokoa noho izay vitan’ireo rehetra talohanao no nataonao, satria namboatra andriamani-kafa sy sarivongana voarendrika hampahatezitra Ahy ianao ary efa nanilika Ahy any ivohonao.
Malagasy Bible 1865
fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nanao izay ratsy mihoatra noho izay rehetra talohanao ianao ka lasa nanao andriamanitra hafa sy sarin-javatra voarendrika ka nahatezitra Ahy, ary Izaho narianao teo ivohonao:
malagasy
fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao: