1 Kings 15:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Maakà reniny aza, naongany amin’ny maha-renin’ny mpanjaka azy, satria nanao sampy vetaveta ho an’i Astarte. Nazeran’i Asà ny sampiny vetaveta, dia nodorany tao amin’ny ranon-driaka Sedrôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia i Mahekà renibeny aza dia naetrin’ity mpanjaka tsy ho andriambavy intsony, noho izy nanao tsatokazo fanajana an’i Aserà. Nasain’i Asà nazera sy nodorana tao amoron-driakan’i Kidrôna ny sampin’i Mahekà.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy intsony, satria nanao sampy mahatsiravina ho an’ny Aseraha*; ary nikapa ny sampiny i Asa ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
malagasy
Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.