1 Kings 15:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niakatra hamely an’i Jodà i Baasà, mpanjakan’i Israely, ary nanorina an’i Ramà izy, mba hisakana ny vahoakan’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niakatra hanafika ny tanin’i Joda i Bahasà mpanjakan’i Israely; fa nohamafisiny ny tanànan’i Ramà mba hisakanan-dalana an’i Asà mpanjakan’i Joda.
Malagasy Bible 1865
Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary niakatra hamely ny Joda i Basa, mpanjakan’ny Israely ka nanamboatra an’i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’i Asa, mpanjakan’ny Joda.
malagasy
Ary Basa, mpanjakan'ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an'i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin'i Asa, mpanjakan'ny Joda.