1 Kings 15:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa ka natolony teo an-tanan’ny mpanompony. Avy eo i Asa mpanjaka dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Arama, izay nonina tao Damaskosy, ka nampilazainy hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nalain’i Asà kosa ny volafotsy sy volamena sisa rehetra tao amin’ny rakitry ny tranon’i Iaveh sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka, ka nataony teo an-tanan’ny mpanompony; dia nalefan’ny mpanjaka Asà ireo, ho any amin’i Ben-Hadada zanak’i Tabremôna, zanak’i Heziôna, mpanjakan’i Siria nonina tao Damasa, hanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’i Asà ny volafotsy sy ny volamena rehetra sisa tamin’ny raki-tsoa tao an-tranon’ny TOMPO sy tao an-dapan’ny mpanjaka, ka natolony teo an-tanan’ny solotenany; ary nampanateriny tany amin’i Bena-Hadada zanakalahin’i Tabrimôna sy zafikelin’i Heziôna izany, dia i Bena-Hadada mpanjakan’i Siria izay nonina tao Damasy sady nombany hafatra hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan'ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin'i Beni-hadada, zanak'i Tabrimona, zanak'i Heziona, mpanjakan'i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’NY TOMPO sy tao amin’ny efitrano fitahirizana tao amin’ny tranon’ny mpanjaka i Asa ka natolony teo an-tanan’ny mpanompony. Avy eo i Asa mpanjaka dia nampanatitra azy tany amin’i Beny-Hadada, zanak’i Tabrimona, zanak’i Heziona, mpanjakan’i Arama, izay nonina tao Damaskosy, ka nampilazainy hoe:
malagasy