1 Kings 15:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nihaino an’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ny komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; ary namely an’Iona, i Dana, i Abela-Bety-Maka ary ny Kinerota manontolo mbamin’ny tanin’ny Naftaly manontolo izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nohenoin’i Ben-Hadada i Asà mpanjaka, ka nirahiny ny filohan’ny tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka noreseny avokoa i Ahiôna, i Dana, i Abela-Bety-Maakà, mbamin’ny Kenerôta rehetra sy ny tanin’i Neftalì rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia neken’i Bena-Hadada ny fangatahan’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Bety-Mahekà sy ny faritr’i Kinerôta mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary Beni-hadada nihaino an'i Asa mpanjaka ka naniraka komandin'ny miaramilany hamely ny tanànan'ny Isiraely, ary namely an'Iona sy Dana sy Abelabeti-maka ary Kinerota rehetra mbamin'ny tanin'ny Naftaly rehetra izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nihaino an’i Asa mpanjaka i Beny-Hadada ka naniraka ny komandin’ny miaramilany hamely ny tanànan’ny Israely; ary namely an’Iona, i Dana, i Abela-Bety-Maka ary ny Kinerota manontolo mbamin’ny tanin’ny Naftaly manontolo izy.
malagasy