1 Kings 15:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Asa mpanjaka kosa dia nampiantso ny Joda rehetra ka tsy nisy izay tsy nampandrenesiny, mba hanaisotra ny vato sy ny hazo tao Rama izay naorin’i Basa; ary noentin’i Asa mpanjaka nanorenana an’i Geban’i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nasain’i Asà nantsoina avokoa i Jodà rehetra, tsy nisy nataony afaka na iray aza, dia nentiny ny vato aman-kazo nanamboaran’i Baasà an’i Ramà, ka izany no nanorenany an’i Gabaàn’i Benjamina sy i Masfà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampiantsoin’i Asà mpanjaka avokoa ny Jodeanina tsy ankanavaka hitondra ny vato sy ny hazo izay voaangon’i Bahasà hanamafisana an’i Ramà; dia nampiasain’i Asà ireo fitaovana ireo hanamafisana an’i Geban’i Benjamîna ary koa i Mitsepà.
Malagasy Bible 1865
Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin'ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin'i Basa; ary nentin'i Asa mpanjaka nanamboatra an'i Geban'i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Asa mpanjaka kosa dia nampiantso ny Joda rehetra ka tsy nisy izay tsy nampandrenesiny, mba hanaisotra ny vato sy ny hazo tao Rama izay naorin’i Basa; ary noentin’i Asa mpanjaka nanorenana an’i Geban’i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
malagasy