1 Kings 15:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tantaran’i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’izay rehetra nataony ary ny tanàna izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Fa tamin’ny andron’ny fahanterany dia narary tongotra izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny sisa tamin’ny asa vitan’i Asà, mbamin’ny herim-po nasehony sy izay rehetra nataony ary ny tanàna naoriny, moa izany va tsy efa voasoratra ao amin’ny bokin’ny Tantaran’ny mpanjakan’i Jodà? Narary tongotra anefa izy nandritra ny andron’ny fahanterany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisa amin’ny tantaran’i Asà sy ny herimpo nasehony ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony sy ny tanàna mafy naoriny dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. Tamin’ny androm-pahanterany dia narary tongotra izy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tantaran'i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin'izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? Nefa kosa tamin'ny andro fahanterany dia narary tamin'ny tongony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tantaran’i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’izay rehetra nataony ary ny tanàna izay naoriny, tsy voasoratra ao amin’ny bokin’ny tantaran’ny mpanjakan’ny Joda va izany? Fa tamin’ny andron’ny fahanterany dia narary tongotra izy.
malagasy