1 Kings 15:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tonga mpanjakan’ny Israely i Nadaba zanak’i Jeroboama, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faharoan’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no tonga mpanjakan’i Israely i Nadaba zanak’i Jerôbôama; ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faharoa nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjaka tamin’i Israely i Nadaba zanakalahin’i Jerôbohama; ary naharitra roa taona no nanjakany tamin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tonga mpanjakan’ny Israely i Nadaba zanak’i Jeroboama, tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda. Nanjaka roa taona tamin’ny Israely izy.
malagasy
[Ny nanjahan'i Nadaba sy Basa sy Elaha sy Zimry ary Omry tamin'ny Isiraely] Ary Nadaba, zanak'i Jeroboama, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin'ny Isiraely izy.