1 Kings 15:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nikomy taminy i Basa, zanak’i Ahia, avy amin’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona izay an’ny Filistina, raha i Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano an’i Gibetona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao teti-dratsy nanohitra azy i Baasà, zanak’i Ahiasa, amin’ny taranak’i Isakara, ka namely azy teo Gebetôna izay an’ny Filistinina; fa nanao fahirano an’i Gebetôna i Nadaba sy i Israely rehetra tamin’izay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nioko hanohitra azy i Bahasà zanakalahin’i Ahià avy amin’ny fokon’i Jisakara. Ary dia namely nahafaty an’i Nadaba tao Gibetôna i Bahasà, tamin’ny fotoana nanaovan’i Nadaba sy i Israely manontolo fahirano an’i Gibetôna izay voatanan’ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nikomy taminy i Basa, zanak’i Ahia, avy amin’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona izay an’ny Filistina, raha i Nadaba sy ny Israely rehetra nanao fahirano an’i Gibetona.
malagasy
Ary Basa, zanak'i Ahia, amin'ny taranak'Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an'ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an'i Gibetona fahizay).