1 Kings 15:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nanjaka izy dia namely ny mpianakavin’i Jeroboama rehetra ka tsy nisy navelany ho velona na dia iray akory aza fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia silonita, mpanompony;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga mpanjaka izy, dia novonoiny avokoa ny fianakavian’i Jerôbôama, ka tsy nasiany niangana rehefa mety ho olona velona koa tamin’ny fianakavian’i Jerôbôama, fa naringany daholo araka ny tenin’i Iaveh nolazainy tamin’ny alalan’i Ahiasa mpanompony, avy any Silao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha vantany vao tonga mpanjaka izy, dia naringany avokoa ny fianakavian’i Jerôbohama manontolo, ka tsy nasiany niangana na iray aza ny taranany araka ny teny nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Ahià mpanompony avy any Silao.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin'i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an'i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia Silonita mpanompony,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nanjaka izy dia namely ny mpianakavin’i Jeroboama rehetra ka tsy nisy navelany ho velona na dia iray akory aza fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Ahia silonita, mpanompony;
malagasy