1 Kings 16:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zimry andro fito tao Tirza. Tamin’izay dia nanao fahirano an’i Gibetona, izay an’ny Filistina, ny olona,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny taona faha-27-n’i Asà, mpanjakan’i Jodà, no nanjakan’i Zambrì, hafitoana, tao Tersà. Tamin’izay ny vahoaka, dia nitoby tandrifin’i Gebetôna izay an’ny Filistinina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny taona faha-27 nanjakàn’i Asà mpanjakan’i Joda no tonga mpanjakan’i Israely i Zimrỳ ary fito andro ihany no nanjakàny tao Tiritsà. Tamin’izay ny tafik’i Israely dia nanao fahirano an’i Gibetôna izay voatanan’ny Filistinina.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny taona fahafito amby roapolo nanjakan’i Asa, mpanjakan’ny Joda, no nanjakan’i Zimry andro fito tao Tirza. Tamin’izay dia nanao fahirano an’i Gibetona, izay an’ny Filistina, ny olona,
malagasy
Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Asa, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an'i Gibetona, izay an'ny Filistina.