1 Kings 16:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony hitan’i Zimry fa azo ny tanàna dia lasa niditra tao amin’ny tilikambo-manda tao amin’ny lapa izy ary nodorany tamin’ny afo ny lapa ka may tao izy dia maty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony hitan’i Zambrì fa afaka ny tanàna, dia lasa niditra ao amin’ny trano mimandan’ny tranon’ny mpanjaka izy, ka nodorany aman-trano tao ny tenany. Toy izany no nahafatesany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hitan’i Zimrỳ fa azo ny tanàna, dia lasa izy niditra tao amin’ny tilikambo nisy ny efitranon’ny mpanjaka; nodorany io efitrano io, ka dia niara-devona taminy tao izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony hitan’i Zimry fa azo ny tanàna dia lasa niditra tao amin’ny tilikambo-manda tao amin’ny lapa izy ary nodorany tamin’ny afo ny lapa ka may tao izy dia maty.
malagasy
Ary nony hitan'i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin'ny trano avo amin'ny lapa izy, ary nodorany tamin'ny afo ny lapa. ka may tao izy, dia maty