1 Kings 16:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Satria nasandratro avy tamin’ny vovoka ianao ka notendreko ho mpitondra ny Israely oloko, nefa ianao kosa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama ihany ary nampanota ny Israely oloko ka nahatezitra Ahy tamin’ny fahotany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nasandratro avy amin’ny vovoka ianao, ary natsangako ho mpanjakan’i Israely oloko, kanjo ny lalan’i Jerôbôama no nalehanao, ary i Israely oloko nampanotanao, mba hampahatezitra Ahy amin’ny fahotan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Nasandratro avy amin’ny vovoka ianao ka nataoko ho filohan’i Israely vahoakako, kanefa dia ny fitondrantenan’i Jerôbohama no nizoranao ary ilay Israely vahoakako nampanotanao ka nampahatezitra Ahy tamin’ny fahotany.
Malagasy Bible 1865
Satria nasandratro avy tamin'ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin'ny lalan'i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin'ny fahotany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Satria nasandratro avy tamin’ny vovoka ianao ka notendreko ho mpitondra ny Israely oloko, nefa ianao kosa nandeha tamin’ny lalan’i Jeroboama ihany ary nampanota ny Israely oloko ka nahatezitra Ahy tamin’ny fahotany,
malagasy