1 Kings 16:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’izany dia nizara roa ny lehilahin’ny Israely: Ny antsasany dia nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata, mba hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa dia nomba an’i Omry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nizara ho antokony roa ny vahoaka amin’i Israely tamin’izay, ny antsasaky ny vahoaka moa nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta hampanjaka azy, ary ny antsasany nomba an’i Amrì.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taorian’ny nahafatesan’i Zimrỳ, dia nizara roa ny vahoakan’i Israely: ny antsasany nomba an’i Tibnỳ zanakalahin’i Ginata ka te hampanjaka azy, ary ny antsasany kosa nanaraka an’i Hômrỳ.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’izany dia nizara roa ny lehilahin’ny Israely: Ny antsasany dia nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata, mba hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa dia nomba an’i Omry.
malagasy
Ary tamin'izany dia nizara roa ny lehilahy amin'ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak'i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an'i Omry.