1 Kings 16:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny olona izay nomba an’i Omry anefa no naharesy ireo olona izay nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata ka maty i Tibny ary i Omry no nanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Resin’ny nomba an’i Amrì ny nomba an’i Tebnì, zanak’i Gineta, ka dia maty i Tebnì, ary i Amrì no nanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Farany anefa dia resin’ny mpomba an’i Hômrỳ ny mpomba an’i Tibnỳ zanakalahin’i Ginata. Dia maty i Tibnỳ, ary i Hômrỳ no tonga mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny olona izay nomba an’i Omry anefa no naharesy ireo olona izay nomba an’i Tibny, zanak’i Ginata ka maty i Tibny ary i Omry no nanjaka.
malagasy
Fa ny olona izay nomba an'i Omry naharesy ny olona izay nomba an'i Tibny, zanak'i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.