1 Kings 16:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Novidiny volafotsy talenta roa tamin’i Samera anefa ny havoanan’i Samaria ka nanorina tanàna teo an-tampon’ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria ny anaran’ny tanàna, araka ny anaran’i Samera, tompon’ny havoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nanjaka enin-taona tao Tersà izy, dia novidiny tamin’i Somera talenta volafotsy roa, ny tendrombohitr’i Samaria, ka nanorin-trano teo ambonin’ny tendrombohitra izy, ary nataony hoe Samaria, avy amin’ny anaran’i Somera tompon’ny tendrombohitra, ny anaran’ny tanàna naoriny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia novidiny volafotsy fito kilao tamin’i Semera ny havoanan’i Samaria ka nanorenany tanàna teo an-tampony; ary nataony koa hoe Samaria ny anaran’izany tanàna izany araka ny anaran’i Semera tompon’ilay havoana.
Malagasy Bible 1865
Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Novidiny volafotsy talenta* roa tamin’i Samera anefa ny havoanan’i Samaria ka nanorina tanàna teo an-tampon’ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria ny anaran’ny tanàna, araka ny anaran’i Samera, tompon’ny havoana.
malagasy
Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin'i Samera ny havoan'i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon'ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran'i Samera, tompon'ny havoana, ny anaran'ny tanàna.