1 Kings 16:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tamin’ny fahotana izay nampanotany ny Israely izy ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jerôbôama zanak’i Nabata izy, sy tamin’ny fahotana nampanaoviny an’i Israely, ka nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
satria nizorany avokoa ny fitondrantenan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata sy ny fahotana izay nampanaoviny an’i Israely ka nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely tamin’ny sampiny.
Malagasy Bible 1865
fa nandeha tamin'ny lalana rehetra nalehan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sy tamin'ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin'ny zava-poanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa nandeha tamin’ny lalana rehetra nalehan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, sy tamin’ny fahotana izay nampanotany ny Israely izy ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, noho ny amin’ireo sampiny.
malagasy