1 Kings 16:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa noheveriny ho tsy dia naninona ny miroso amin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ka nampakatra an’i Jezebela, zanakavavin’i Etibaala, mpanjakan’ny Sidoniana, ho vadiny izy, ary nandeha nanompo ny Baala ka niankohoka teo anatrehany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoatra ny noheveriny fa zavatra kely foana ny mandeha amin’ny fahotan’i Jerôbôama zanak’i Nabata, ka dia nalainy ho vady i Jezabela, zanaka vavin’i Etbaala, mpanjakan’ny Sidonianina, ka lasa izy nanompo an’i Baala sy niankohoka teo anatrehany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy vitan’ny hoe nizotra tamin’ny fahotan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata izy, fa mbola nanambady an’i Jezebela zanakavavin’i Etbahala mpanjakan’ny Tsidônianina sy nanompo an’i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.
Malagasy Bible 1865
Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa noheveriny ho tsy dia naninona ny miroso amin’ny fahotan’i Jeroboama, zanak’i Nebata, ka nampakatra an’i Jezebela, zanakavavin’i Etibaala, mpanjakan’ny Sidoniana, ho vadiny izy, ary nandeha nanompo ny Baala* ka niankohoka teo anatrehany.
malagasy
Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata. ka dia nampakatra an'i Jezebela, zanakavavin'i Etibala, mpanjakan'ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an'i Bala ka niankohoka teo anatrehany.