1 Kings 16:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha koa i Ahaba ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mihoatra noho ny mpanjakan’ny Israely rehetra izay talohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
sady nanao aserah koa i Akaba. Nanao izay nampahatezitra an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely i Akaba mihoatra noho ny mpanjakan’i Israely rehetra talohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
sy nametraka tsatokazo fanajana an’i Aserà tao; koa nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izy mihoatra noho ny mpanjakan’i Israely rehetra talohany.
Malagasy Bible 1865
Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanao ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha* koa i Ahaba ka nahatezitra NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, mihoatra noho ny mpanjakan’ny Israely rehetra izay talohany.
malagasy
Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan'ny Isiraely rehetra izay teo alohany.Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.