1 Kings 16:34 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny andron’i Ahaba no nanorenan’i Hiela betelita an’i Jeriko. Ny ain’i Abirama lahimatoany no saran’ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’i Segoba faralahiny no saran’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Josoa, zanak’i Nona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fahavelony dia nanorina an’i Jerikô, i Hiela avy any Betela, kanjo ny ain’i Abirama lahy matoany, no sazin’ny nanorenany ny fotony, ary ny ain’i Segoba zanany faralahy, no sazin’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’i Iaveh izay nolazainy tamin’ny alalan’i Jôsoe zanak’i Nona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andro nanjakàn’i Ahaba no nanorenan’i Hiela avy any Betela an’i Jerikao; ka ny ain’i Abirama lahimatoany no sandan’ny nametrahany ny fototra, ary ny ain’i Segoba faralahiny no sandan’ny nametrahany ny vavahady, araka ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Josoa zanakalahin’i Nona.
Malagasy Bible 1865
Tamin'ny andron'i Ahaba no nanorenan'i Hiela Betelita an'i Jeriko; ny ain'i Abìrama lahimatoany no sazin'ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain'i Segoba faralahiny no sazin'ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Josoa, zanak'i Nona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny andron’i Ahaba no nanorenan’i Hiela betelita an’i Jeriko. Ny ain’i Abirama lahimatoany no saran’ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’i Segoba faralahiny no saran’ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’NY TOMPO izay nampilazainy an’i Josoa, zanak’i Nona.
malagasy