1 Kings 16:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Jeho mpaminany, zanak’i Hanany, no nampitondraina ny tenin’NY TOMPO ny amin’i Basa sy ny taranany, satria nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany, ary tonga tahaka ny mpianakavin’i Jeroboama, satria namono ireo koa izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny tenin’i Iaveh dia nampitondraina tamin’ny alalan’i Jehoa, mpaminany, zanak’i Ananì, hihatra amin’i Baasà sy ny tranony noho ny ratsy rehetra nataony teo imason’i Iaveh, nampahatezerany Azy tamin’ny asan’ny tanany, sy nanahafany ny tranon’i Jerôbôama, ary noho izy namono izany fianakaviana izany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny nitenenan’ny TOMPO an’i Bahasà sy ny fianakaviany, tamin’ny alalan’i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, dia noho ireto antony roa ireto: voalohany satria nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO i Bahasà sy ny fianakaviany, ka nampahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany sady tonga tahaka an’i Jerôbohama sy ny fianakaviany; ary faharoa satria naringan’i Bahasà ny taranak’i Jerôbohama.
Malagasy Bible 1865
Ary Jeho mpaminany zanak'i Hanany, dia nampitondraina ny tenin'i Jehovah ny amin'i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason'i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin'ny asan'ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin'i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Jeho mpaminany, zanak’i Hanany, no nampitondraina ny tenin’NY TOMPO ny amin’i Basa sy ny taranany, satria nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO izy ka nahatezitra Azy tamin’ny asan’ny tanany, ary tonga tahaka ny mpianakavin’i Jeroboama, satria namono ireo koa izy.
malagasy