1 Kings 17:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Nony teo am-bavahadin’ny tanàna izy dia indro nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo. Niantso azy i Elia ka niteny hoe: Miangavy anao aho, mba itondray rano kely amin’ny siny aho mba hosotroiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niainga izy, ka nankany Sareftà. Nony mby teo am-bavahadin’ny tanàna izy, indro nisy vehivavy mpitondratena anankiray teo nanangon-kitay hazo, dia nantsoiny ka nataony hoe: «Aza mahafady, mba angalao rano kely amin’ny fisotroana aho hosotroiko!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia lasa nankany Tsarefata i Elià. Ary rehefa tonga teo am-bavahadin’ny tanàna izy, dia nahita vehivavy mpitondratena mifako kitay. Nantsoin’i Elià io ka nataony hoe: –Azafady mba itondray rano kely amin’ny zinganao aho hosotroiko.
Malagasy Bible 1865
Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Ary nony mby teo am-bavahadin'ny tanàna izy, dia, indro, nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo; ary niantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao. itondray rano kely amin'ny fisotroana aho mba hosotroiko.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niainga izy ka nankany Zarefata. Nony teo am-bavahadin’ny tanàna izy dia indro nisy vehivavy mpitondratena nanangona kitay hazo teo. Niantso azy i Elia ka niteny hoe: Miangavy anao aho, mba itondray rano kely amin’ny siny aho mba hosotroiko.
malagasy