1 Kings 17:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy anefa Ravehivavy: Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran’ny tanana an’ila ao amin’ny siny kely sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara; ary, e! Maka tapa-kitay roa aho izao ary hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka dia ho faty izahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy ny navaliny: «Velona i Iaveh Andriamanitrao, tsy misy zavatra masaka ao amiko; lafarina eran-tanan’ila ao am-bilany sy diloilo kely foana ao amin’ny siny no hany ananako. Ary indro aho manangona tapa-kazo roa izao, dia hody hanamboatra izany ho anay mianaka; hohaninay izany, dia ho faty izahay.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ravehivavy namaly: –Velona ny TOMPO Andriamanitrao, koa mianiana aho fa tsy manana mofo mihitsy; ny sisa ananako dia lafarinina eran’ny tanan’ila ao anaty tsatokaty sy menaka kely amin’ny tavoara. Koa rehefa avy maka kitay aho, dia hody hikarakara an’ireo mba ho ahy sy ho an’ny zanako lahy; dia hohaninay izany, ary hiandry ny hahafatesanay izahay.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy ravehivavy: Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran-tànan'ila ao amin'ny barika sy diloilo kely foana ao amin'ny tavoara; ary, he! maka tapa-kazo roa aho izao, ka hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka, dia ho faty izahay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy anefa Ravehivavy: Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, tsy manana mofo na dia iray akory aza aho, fa koba kely eran’ny tanana an’ila ao amin’ny siny kely sy diloilo kely foana ao amin’ny tavoara; ary, e! Maka tapa-kitay roa aho izao ary hiditra hanamboatra ireo hohaninay mianaka dia ho faty izahay.
malagasy