1 Kings 17:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra ka manaova araka izany lazainao izany. Nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha dia ento etỳ amiko, fa avy eo vao manaova ho anao sy ny zanakao indray.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Elia taminy: «Aza matahotra, fa modia ka ataovy izany voalazanao izany. Nefa anaovy mofo kely amin’izany aho aloha, dia ento mankatỳ amiko, vao manao ho anao sy ny zanakao ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy i Elià taminy: –Aza matahotra! Modia ary manaova araka izany voalazanao izany; nefa anaovy mofo kely aho aloha ka ento atỳ amiko, dia izay ianao vao manao ho anao sy ho an’ny zanakao lahy.
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra, ka manaova araka izany lazainao izany; nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha, ka ento etỳ amiko, ary rehefa izany, dia vao manaova ho anao sy ny zanakao koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Elia taminy: Aza matahotra, fa andeha miditra ka manaova araka izany lazainao izany. Nefa anaovy mofo kely ihany aho aloha dia ento etỳ amiko, fa avy eo vao manaova ho anao sy ny zanakao indray.
malagasy