1 Kings 17:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy Ravehivavy tamin’i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko hampahatsiaro ny fahotako va ianao ka hahafaty ny zanako?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ravehivavy tamin’i Elià: –Ry olon’Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao tatỳ amiko?
Malagasy Bible 1865
Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy Ravehivavy tamin’i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin’Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko hampahatsiaro ny fahotako va ianao ka hahafaty ny zanako?
malagasy
Dia hoy ravehivavy tamin'i Elia: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry lehilahin'Andriamanitra ô? Tonga atỳ amiko va ianao hampahatsiaro ny fahotako ka hahafaty ny zanako?