1 Kings 17:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Elia taminy: Omeo ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any amin’ny efitrano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandrianany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny navaliny azy: «Atolory ahy ny zanakao.» Dia nalainy ny zaza teny an-trotroan-dravehivavy, ka nentiny tany amin’ny efitrano ambony nitoerany, sy nampandriny teo am-parafarany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa i Elià namaly azy: –Omeo ahy ny zanakao. Dia nalainy teny an-tsandrin-dravehivavy izy ka nentiny tany an’efitra ambony izay nitoerany ary nampandriny teo am-parafarany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Elia taminy: Omeo ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any amin’ny efitrano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandrianany.
malagasy
Ary hoy Elia taminy: Atolory ahy ny zanakao. Dia naka ny zaza teo an-tratran-dreniny izy ka nitondra azy niakatra ho any an-efi-trano ambony izay nitoerany, ary nampandry azy teo am-pandriany.